voromailala | 08 Desambra, 2007 09:09
Nisy ampahan'ny tranonkalan'ny Camping granelle dordogne moa izany navadika tamin'ny teny malagasy, ka ny mpikambana iray tao amin'ny IFG no nanao izany fandikana teny izany.
Ny tambiny moa dia nasiana rohin' ny tranonkala infogasy tao anatiny, eny ambanin'ilay pejy misy hoe "Eto raha te hijery ny tranokalan'ny informatisianina malagasy ianao".
Izay indray ary aloha fa efa eo ampikarakarana ny Gazety IFG 006 izahay izao.
voromailala | 07 Septambra, 2007 09:34
Efatra taona izany no nikarakarana, nifampizarana fahaizana sy fahalanana tamin'ny alalan'ny tranonkala infogasy sy ny fikambanana infogasy.
Hisaorana indrindra an'ireo mpikambana sy mpandray anjara mavikitra amin'izany. Efa be no vita tanatin'izany 4 taona izany,
ankehitriny anefa dia mitombo ny adidy ny andraikitra eo anivon'ny ankohonanay tsirairay avy izaho (FRAZ koa torak'izany) ka mieritreritra ny hamindra ny faneva hoan'izay olona vonona hitantana indray ny infogasy izahay.
Tsy hoe hiala akory izahay fa hanotrona eo ihany fa tsy ho 100% intsony.
Koa raha misy mazoto hitantana ny tranonkala sy ny fikambanana dia aza misalasala manoratra.
voromailala | 30 Jiona, 2007 08:47
Ny infogasy moa izany dia fikambanan'ireo Malagasy mpikirakira ny kajy mirindra. Ny tanjona moa dia ny fifampizarana fahaizana sy traikefa eo amin'ny samy Malagasy.
Tsapa ankehitriny fa misy fahatarana ara-teknolojika ny any Madagasikara,koa izany no mahatonga anay ankehitriny miompana bebe kokoa amin'ny fanomezan-tosika an'ireo izay tia informatika any Madagasikara.
Hatramin'izao moa izany dia ny fandefasana CD,DVD, boky isan-karazany momba ny informatika no halefa any izao, ary afaka fotoana fohy dia ho azonao hindramina ny laharana faha 4 amin'izany.
Mety manontany tena ianao hoe, faminona izahay no manao an'izany?
dia hoy aho hoe satria efa teo amin'ny toeran'ireo informatisianina malagasy ireo izahay 5 taona lasa izay. Raha hitady boky informatika fotsiny ohatra dia tena sahirana, mety nahita ihany teny amin'ny mpivarotra boky tery antaninarenina fa tsy takabola. Soa fa nisy famakiamboky isan-karazany toy ny CITE ny olana anefa dia voafetra ny andro hindramanao izany boky izany, ka voatery manao dika, ka vola ihany koa no miala.
Izany koa eo ihany fa raha nahazo soa ianao dia tsara ny mizara izany, satria ny fizarana no lalana iray ahatafitana eo amin'ny fiainana.
Tsy mihena mitaha amin'ny informatisianina avy aty ivelany tokoa ireo mpikambana ao amin'ny infogasy anisany izany ohatra an'i Hery (serasera) izay anisany mpitantana ara-teknika ny tranonkala infogasy. Misy ihany koa ireo nahazo maripahakasitrahana Architecte J2EE, certification Microsoft ary certification SAP.
Maro ireo zavatra tiana hatao kanefa moa hitanareo ihany fa ny fiainana aty ivelany dia miazakazaka tokoa, ka rehefa misy fotoana malalaka dia manaraotra mikarakara ny fikambanana. Hisaorana manakoana izany Ragasy izany mifanome tanana aminay avy any madagasikara amin'ny fizarana Ubuntu 7 , izay azonareo hindramina amin'ny mpiandraikitra infogasy any antoerana Mahefa Randimbisoa (mahefa.randimbisoa /at/ gmail [dot] com), ary hisaorana azy manokana izany. Any aminy ihany koa no ahafahanao mindrana ireo boky sy DVD maro efa lasa tany, anisan'ny zany resaka PHP 5, Java, .Net sy ny maro hafa koa.
Ary hamaranako azy izany dia misy vinavina izany fa tenenina aminareo ihany raha tanteraka fa handalo any antoerana ny mpikambana infogasy anakiroa amin'ny volana septembra iny ka mety hasiana fihaonana sy fizarampahalalana kely.
Dia izay indray ary aloha fa dia aza misalasala mifanome tanana.
RTN
(RABE Todisoa Narifidy)
voromailala | 07 Martsa, 2007 10:35
Efa tafapekatra any Madagasikara ankehitriny ny solotenan'ny Fikambanana INFOGASY.
Marihana fa misy ireo CD sy DVD(I-II) nalefa any Madagasikara , ahafahanao manao copie maimaipoana.
Ireo boky sy Logiciel voatokana, dia ny mpikambana ihany no mahazo mindrana azy. Marihana fa maimaipoana ny fisoratana anarana (raha midika ao amin'ny ekipa PHP), manome anarana, adiresy, mailaka ary telefonina amin'ny mpiandraikitra fotsiny ianao dia afaka mindrana izany boky izany.
Mailaka ny mpiandraikitra INFOGASY Madagasikara: mahefa.randimbisoa /at/ gmail [dot] com
Dia izay indray ary aloha fa dia ny tanjona moa dia fifampizarana fahaizana sy traikefa eo amin'ny samy malagasy rehetra, mandala ny informatika.
voromailala | 07 Febroary, 2007 21:16
Efa tanteraka ankehitriny ny projet voalohany tao amin'ny infogasy ( CD Wiki), efa tonga any Madagasikara, miandry fotoana fohy sisa dia voarain'ny mpiandraikitra ny INFOGASY Madagasikara Mahefa Randimbisoa.
Izy no hizara izany amin'ireo zay mpandala ny informatika any antoerana. Tsy CD Wiki IFG fotsiny anefa no nalefa tany fa tao koa ny cygwin, CD VS 2005 express miaraka lesona vitsivitsy, CD java Sun, sy ny maro hafa koa.
Holazaina eto ihany rehefa voarainy soa amantsara ireo CD ireo.
Fanamarihana kely, noho ny olona tsy miankina aminay dia tapaka kely ny tranonkala IFG, efa mamerina izany amin'ny laoniny ry zareo ao amin'ny 1and1, koa dia ialana tsiny indrindra.
fraz | 02 Novambra, 2006 10:50
Statistika mamintina ny volana Oktobra 2006 ho an'ny sehatra. 10290 visiteurs uniques no nitsidika tamin'io volana io ihany.
voromailala | 31 Aogositra, 2006 09:42
Tonga marina ity ny fidirana raha somary nialasasatra kely ny ankamaroan'ny olona rehetra. Tao amin'ny Infogasy moa dia tsapa izany amin'ny fiakaran'ny mpitsidika.
Izay hita amin'ny sary etsy ambany.
voromailala | 21 Jolay, 2006 06:43
Dia tafatsagana amin'ny fomba ofisialy ny fikambanana INFOGASY.
Eto Frantsa ny foibeny, fa ny malagasy eran-tany izay mikirakira informatika dia mahazo miditra mpikambana daholo. i Hery ohatra dia anisan'ny mpiandraikitra ao anatin'izany fikambanana izany.
Mbola omena anao miandalana eto ny fomba hatao raha te hiditra mpikambana.
fraz | 12 Jolay, 2006 23:09
Statistika mamintina ny volana Jiona 2006 ho an'ny sehatra. 7445 visiteurs uniques no nitsidika tamin'io volana io ihany.
voromailala | 04 Jiona, 2006 11:32
Efa voarain'ny sous préfecture Boulogne Billancourt ny taratasy rehetra momba ny fikambanana Infogasy, izay midika fa feno ireo taratasy rehetra nilaina.
Miandry ny fanapahakevitra sisa ary ny fivoahany amin'ny Journal Officiel dia lasa aradalana ny fikambanana.
Efa maro ireo orinasa, fikambanana vonona hiaraka hiasa an'ny IFG, raha vao tafatsangana eo ny fikambanana.
voromailala | 20 Mey, 2006 23:50
Tonga taty amin'i FRAZ izaho tamin'ity week end ity. Matetika moa rehefa mihaona izahay dia midinika hoe inona no hanatsarana ny IFG.Ka toy izao raha fintinina izany fihaonana izany.
Efa mihamitombo ny isan'ny partenaire, serasera moa izany zao no partenaire voalohany indrindra, dia ao koa ny Madagascar Ntic. Eo ampikarakarana partenaire roa hafa izahay izao, ny iray vahiny ary ny iray malagasy fa rehefa tomombana tsara dia lazaina aminareo eto ihany.
Manaraka izay dia natsangana ho association ny INFOGASY, efa lasa daholo ny taratasy rehetra momba izany ka miandry valiny sisa, ao Saint Cloud ny siège social an'ilay association. Raha vao tafatsangana ny fikambanana dia omenay anareo eto ihany ny fomba hatao raha te hiditra amin'izany fikambanana izany ianao.
infogasy | 17 Mey, 2006 01:22
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |