voromailala | 30 Jiona, 2007 08:47
Ny infogasy moa izany dia fikambanan'ireo Malagasy mpikirakira ny kajy mirindra. Ny tanjona moa dia ny fifampizarana fahaizana sy traikefa eo amin'ny samy Malagasy.
Tsapa ankehitriny fa misy fahatarana ara-teknolojika ny any Madagasikara,koa izany no mahatonga anay ankehitriny miompana bebe kokoa amin'ny fanomezan-tosika an'ireo izay tia informatika any Madagasikara.
Hatramin'izao moa izany dia ny fandefasana CD,DVD, boky isan-karazany momba ny informatika no halefa any izao, ary afaka fotoana fohy dia ho azonao hindramina ny laharana faha 4 amin'izany.
Mety manontany tena ianao hoe, faminona izahay no manao an'izany?
dia hoy aho hoe satria efa teo amin'ny toeran'ireo informatisianina malagasy ireo izahay 5 taona lasa izay. Raha hitady boky informatika fotsiny ohatra dia tena sahirana, mety nahita ihany teny amin'ny mpivarotra boky tery antaninarenina fa tsy takabola. Soa fa nisy famakiamboky isan-karazany toy ny CITE ny olana anefa dia voafetra ny andro hindramanao izany boky izany, ka voatery manao dika, ka vola ihany koa no miala.
Izany koa eo ihany fa raha nahazo soa ianao dia tsara ny mizara izany, satria ny fizarana no lalana iray ahatafitana eo amin'ny fiainana.
Tsy mihena mitaha amin'ny informatisianina avy aty ivelany tokoa ireo mpikambana ao amin'ny infogasy anisany izany ohatra an'i Hery (serasera) izay anisany mpitantana ara-teknika ny tranonkala infogasy. Misy ihany koa ireo nahazo maripahakasitrahana Architecte J2EE, certification Microsoft ary certification SAP.
Maro ireo zavatra tiana hatao kanefa moa hitanareo ihany fa ny fiainana aty ivelany dia miazakazaka tokoa, ka rehefa misy fotoana malalaka dia manaraotra mikarakara ny fikambanana. Hisaorana manakoana izany Ragasy izany mifanome tanana aminay avy any madagasikara amin'ny fizarana Ubuntu 7 , izay azonareo hindramina amin'ny mpiandraikitra infogasy any antoerana Mahefa Randimbisoa (mahefa.randimbisoa /at/ gmail [dot] com), ary hisaorana azy manokana izany. Any aminy ihany koa no ahafahanao mindrana ireo boky sy DVD maro efa lasa tany, anisan'ny zany resaka PHP 5, Java, .Net sy ny maro hafa koa.
Ary hamaranako azy izany dia misy vinavina izany fa tenenina aminareo ihany raha tanteraka fa handalo any antoerana ny mpikambana infogasy anakiroa amin'ny volana septembra iny ka mety hasiana fihaonana sy fizarampahalalana kely.
Dia izay indray ary aloha fa dia aza misalasala mifanome tanana.
RTN
(RABE Todisoa Narifidy)
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |